Aller au contenu

Nikoly (kaominina)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Nikoly)

I Nikoly dia kaominina ambanivohitra eto Madagasikara, ao amin' ny Distrikan' i Tsihombe, Faritra Androy, Faritanin' i Toliara. Tamin' ny 12 Septambra 2003 no niforonan' ity kaominina ity. Ny Antandroy no vahoaka maro anisa ao izay mitsinjara ao anatin' ny fokontany miisa 69, ary ny fambolena sy ny fiompiana no asa fiveloman' ny akamaroan' ny mponina. Anisan' ireo kaominina any amin' ny tapany tsimon' ny Nosy ianjadian' ny haintany sy ny kere matetika ity kaominina ity.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

Ny toerana misy ilay kaominina

[hanova | hanova ny fango]

Eo amin' ny tendrony atsimon’ i Madagasikara no ahitana ny kaominina Nikoly, 12 km miala avy eo amin’ ny tanànan' i Tsihombe, 78 km miala ny tanànan' Ambovombe ary 1 297 km miala an' Antananarivo raha arahina ny lalam-pirenena faha-7 mihazo ny lalam-pirenena faha-10 (740,9 km kosa raha lalana mahitsy). 25° 23’ Atsimo, 45° 25’ Atsinanana ny fangitra ara-jeôgrafiany.

Ny kaominina Nikoly dia voafaritr' ireto kaominina manaraka ireto: ao avarany ny kaominina Tsihombe sy ny kaominina Behazomanga, ao atsimony ny kaominina Betanty (Faux-Cap teo aloha), ao andrefany sy ao atsimony ny kaominina Marovato, ary ao atsinanany ny kaominina Anjampaly sy ny kaominina Antaritarika.

Ny toetany

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny faritra manana toetany maina ny kaominina Nikoly, ka ny haintany izay manenika ny Faritra Androy manontolo, dia mamely an' ilay kaominina koa. Tsy ahafahan’ ny mponina mizaka tena ara-tsakafo izany rehefa matetika sy mihalava ny fotoana isehoany. Mahalana dia mahalana ny fotoana ilatsahan' ny orana. I Manambovo no renirano lehibe mandalo any.

Ny zavamaniry sy ny biby

[hanova | hanova ny fango]
Sokatra

Na dia anjakan' ny toetany maina ny faritra misy ny kaominina Nikoly dia ahitana toerana misy ala sy biby mivelona anaty ala toy ny sifaka (Propithecus verreauxi), ny hira (Lemur catta), ny sokatra (Astrochelys radiata), sy ny maro hafa.

Misy ivon-toerana fikarakarana ny sokatra tratra saika haondrana an-tsokosoko ny ao amin’ ny kaominina Nikoly, antsoina hoe "Ala Mahavelo" izay tantanan’ ny ONG Turtle Survival Alliance miorina ao amin’ ny fokontany Tamonto Sud sy ao Besakoa. Izany toerana izany dia tsy azo anaovana fitrandrahana ala tsy ara-dalàna sady arovana ny biby miaina ao anatiny amin’ ny alalan’ ny dinam-pokonolona. Tandindomin-doza ny biby arovana (indrindra ny sifaka sy ny maky-hira ary ny sokatra) sy ny ala sisa noho ny doro ala sy ny fanaovana hatsake ary ny fakana kitay.

Fitantanan-draharaha

[hanova | hanova ny fango]

Ny fokontany

[hanova | hanova ny fango]

Fokontany miisa 69 no mandrafitra ny kaominina Nikoly, dia ireto avy izany: Abejeba Ankililiry, Ambasia Centre, Ambasia II, Ambasia III, Ambovotoka, Ampilofilo, Ampozibe, Ananakirihitse Centre, Ananakirihitse I, Anatsosa Beronono, Anatsosa Centre, Anatsosa Lambovola, Anatsosa Maromainte, Andagoa Sud, Anja Tanambao, Anja Tanambao I, Ankatsakala, Ankililire Agnalasoa, Ankililire Ankilemasy, Ankilimigahy, Antanamalangy Centre, Behasy Ambaro, Behasy Ampihamy, Behasy Anatomasy, Behasy Ankiletelo, Behasy Centre, Berene, Besakoa, Firambagna, Katapoly, Katapoly Tanambao, Lohalambo Andranoagnala, Marakalo Agnavoha, Marakalo Andranomainte, Marakalo Ouest, Marakalo Sihanadampy, Marakalo Sud, Marakalo Zanavo, Namoia, Namoia Centre Keleia, Nikoly Ntehodo, Nikoly Centre, Nikoly I, Nikoly II, Nikoly Maromainte, Sahanogne, Sarelagnitse, Sivora Agnadily, Tamonto Ankamena, Tamonto Ankilemasy, Tamonto Nord, Tamonto Sud, Tampototse Ambitike I, Tampototse Ambitike, Tampototse Ampihamy, Tampototse Andrenentane, Tampototse Androvaela, Tampototse Antanamiary, Tampototse Antanamiary II, Tampototse Bekinagna, Tampototse Betamboho, Tampototse Emonto, Tampototse Marobe, Tampototse Maromainte I, Tampototse Maromainte II, Tampototse Nord, Tampototse Ouest, Tampototse Sud, ary Tsiagnafo.

Ny fanabeazana

[hanova | hanova ny fango]

Zone Administratif et Pedagogique (ZAP) roa no mitantana ny fampianarana manerana ny kaominina Nikoly, dia ny ZAP Atsinanana izay ahitana sekoly fanabazana fototra (école primaire publique -- EPP) miisa 20 sy kôlejy (collège d'enseignement général -- CEG) miisa 3, sy ny ZAP Andrefana ahitana sekoly fanabazana fototra miisa 19. Ny ankabetsahan’ ny fokontany dia saika ahitana EPP avokoa (misa 51) saingy ny fotodrafitrasa no tena olana. Ankoatr’ izany dia azo heverina fa misy ifandraisany amin’ ny olana sedrain' ny fampianarana ny olana iainan’ ny mponina. Olana koa ny fahabetsahan' ny mpampianatra iantohan’ ny Fikambanan' ny Raiamandrenin' ny Mpianatra (FRAM), izay tsy voaloa fivelomana, sy ny tsy faharisihan' ny mpianatra noho ny kere.

Ny fahasalamana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2022 dia Centre de santé de base (CSB II) iray monja miorina an-tampon-tanan' i Nikoly no misahana ny fitsaboana manerana ilay kaominina. Noho ny habetsahan’ ny fokontany ao anatin’ ny kaominina Nikoly sy ny halaviran-dalana ary ny havitsian' ny mpiasan' ny fahasalamana, dia tsy afaka mamaly tanteraka ny filan’ ny mponina ara-pahasalamana ity CSBII ity.

Mponina sy fiarahamonina

[hanova | hanova ny fango]

Ny mponina

[hanova | hanova ny fango]

Ny kaominina Nikoly dia onenan' ny 4,7 % amin' ny mponina ao amin’ ny Faritra Androy, izany hoe mponina miisa 30 845 (tamin' ny taona 2021), manana hakitroka 21 mp/km2, ka ny lehilahy dia miisa 13 716 (44 %) fa ny vehivavy kosa 17 129 (56 %). Ny vondrom-poko Antandroy, izay mitsinjara ho zana-poko Marakalo (Tahandrefa) sy Tampototse/Lamitihy (Tatignana) ary Tahandrefa Limerae, no maro anisa sy tompontany ao.

Ny fandriam-pahalemana

[hanova | hanova ny fango]

Kaominina anisan' ny mandry fahalemana tanteraka i Nikoly, ankoatry ny fisian' ny hala-botry madinidinika, noho ny mbola fandalan' ny mponina ny kolontsaina eo an-toerana sy ny fitandroana ny fiarahamonina. Ny fisian' ny dina isaky ny kaominina no anisan' ny ahafahana mihazona izany. Ny malaza amin' izany dina izany dia ny Dinan' Androy.

Ny fivavahana

[hanova | hanova ny fango]

Na dia be mpanaraka kokoa aza ny fivavahan-drazana dia tsy vitsy ireo izay nandray ny fivavahana kristiana, indrindra ny ao amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) toy izay hita ao Nikoly, ao Namoia, ao Beronono ary ao Ambovotoka. Ao koa ireo mpivavaka ao amin' ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (EKAR) toy ny ao Namoia sy ny ao Ambovotoka.

Mahalana dia mahalana ny fotoana ilatsahan' ny orana, ary heverina ho fitahiana avy amin’ ny Zanahary sy ny razana izany ka matetika dia alaina ho sotroina, eny na avy eny amin’ ny arabe aza no iangonany. Misy ny olona manangona rano avy amin’ ny tafon-trano, avy eny amin' ny kamory (sihanake) ary avy amin' ny dobo fitahirizan-dranon' orana (impluviums).

Mizaka olana goavana ny mponina ao amin' ny kaominina Nikoly amin' ny resaka rano fisotro madio. Lavitra ny reniranon’ i Manambovo sady tsy misy ny fitaovana fitateran-drano. Lasa fidiram-bola ny fivarotana rano. Tamin' ny taona 2020, ohatra, dia nahatratra 3 000 Ariary hatramin' ny 4 000 Ariary ny vidin’ ny rano 20 litatra, izay rano avy any Manambovo izay sady somary masira no maloto.

Renirano ao amin' ny faritra atsimo amin' i Madagasikara

Ny rano an-kamory (sihanake) no miantoka indrindra ny filan' ny mponina rano, ka ao ireo tsy azo idiovana fa fakana rano hosotroina fotsiny, ao ireo atao fisoatroan’ ny biby fiompy sy azo idiovana na anasana. Ao koa ny rano amin' ny lava-drano. Tsy maharaka anefa izany rano izany rehefa tonga ny hain-tany. Amin' ny main-tany, izay mahamaina ireo fantsakan-drano ireo, dia mandeha lalana kilômetatra maromaro any an-drenirano ny vehivavy isaky ny tokatrano mba hitady rano any amin’ ny reniranon’ i Manambovo.

Mandritra ny fotoana mampisy ny kere, izay tena tsy ahitana sakafo hohanina, dia ny ravin-draketa (raketa sonjo) na voan-draketamena no ataon’ ny olona sakafo; ao koa ny fangitse, ny bontagne (voan-kily afangaro lavenona), ary misy ireo sahy mihinana ravin-kazo tsy dia fihinana matetika na mihitsy.

Manoloana izany dia ny tetikasa Programme Alimentaire Mondial (PAM) no mamatsy sakafo ny tokatrano marefo sy miantoka ny fisakafoanana an-tsekoly (cantine scolaire) mba hahatonga ny mpianatra hanohy ny fianarany. Eo ihany koa ireo fandaharan’ asa hafa tsy miankina amin’ ny fanjakana izay miara-misalahy amin’ ny famahana ny olana toy Catholic Relief Services (CRS) manoloana ny fiatrehana ny haintany. Ao koa ny Bureau National pour la Gestion des Risques et Catastrophes (BNGRC), ny ONG Direct Aid, ny Gret Madagascar sy ny maro hafa.

Toekarena

[hanova | hanova ny fango]

Ny fambolena sy fiompiana no tena foto-piveloman’ ny mponina ao amin’ ny kaominina Nikoly.

Ny fambolena

[hanova | hanova ny fango]
Vomanga na bageda

Ny voly mangahazo na balahazo (Manihot esculenta) no mitana laharana voalohany (indrindra ao amin' ny fokontany miisa 19 andrefana sy afovoany), nefa ao koa ny voly vomanga (Ipomoea batatas) na bageda sy ny katsaka na tsako (Zea mays) ary ny voamaina isan-karazany toy ny antaka (Lablab purpureus), ny tsaramaso (Phaseolus vulgaris), ny voanjobory (Vigna subterranea), ny voanemba (Vigna sinensis), sy ny voanjo (Arachis hypogaea). Ny fambolena vomanga sy mangahazo araka izany no be mpanao (70 % – 90 %) noho izy mahazaka hain-tany mifanaraka amin’ ny toetrandro any Androy. Ny mponina manamorona ny reniranon’ i Manambovo dia mamboly kabaro (Phaseolus lunatus) sy voatabia (Solanum lycopersicum) na tamatesa ary fary (Saccharum officinarum) koa. Mamatsy an’ i Tsihombe ity kaominina ity rehefa tonga ny fotoam-piotazam-bokatra.

Raketa

Misy koa ny voly avotra izay mampiavaka ilay kaominina, anisan' izany ny vomanga na bageda, ny voanketsihetsy na voazavo (Citrullus lanatus), ny voatango (Cucumis parvifolius), ary ny taboara (Cucurbita maxima). Ankehitriny dia mamboly paraky (Nicotiana tabacum) sy kinana (Ricinus communis) ary raketa (Opuntia ficus-indica) koa ny mponina.

Ny fiompiana

[hanova | hanova ny fango]

Miompy omby (miisa 18 500) sy osy (miisa 20 100) ary ondry (miisa 11 200) ny mponna ao amin' ny kaominina Nikoly. Ny vehivavy no misahana ny fiompiana akoho amam-borona (misia 32 000). Tsy ny resaka filana ara-tsakafo ihany no sahanin’ ny fiompiana fa indrindra ny lafiny fiarahamonina (fikarakarana fandevenana sy fanambadiana). Misy ihany koa ny fiompiana tantely.

Ny lalalana sy ny fifandraisana

[hanova | hanova ny fango]

Lalan-tany no mampifandray ny kaominina Nikoly amin’ ny kaominina mifanila aminy, sy mampifandray ny fokontany ao aminy. Olana ny habetsahan' ny fasika izay manahirana ny fifamoivoizan' ny fiara vaventy, ka manahirana amin' ny famoaham-bokatra izany.

Ny varotra

[hanova | hanova ny fango]

Manana tsena telo ny kaominina dia ny tsena Nikoly Centre amin’ ny andro Alakamisy, sy ny tsena Bekinagna amin’ ny andro Asabotsy, ary ny tsena Berene amin’ ny andro Alarobia. Eo amin’ ny tsena no misy ny fifanakalozana ara-barotra ataon’ ny tantsaha.

Amin' ny fotoana mampisy ny vokatra dia samy mivarotra ny vokany eny amin’ ny tsenam-pokonolona ny tantsaha amin’ ny vidim-bokatra ambany izay vidin’ ny mpanangom-bokatra (indrindra ny mpanangom-bokatra avy amin’ ny kaominina Tsihombe sy Marovato). Amin’ ny fotoana main-tany tsy mampisy ny vokatra kosa dia raisin’ ny tantsaha amin’ ireo mpivarotra sakafo manta indray ny vokatra amin’ ny vidiny lafo, ka izany no mahatonga ny faritra atsimo ho mosary.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]

Tahirin-kevitra nanankinana ny fanoratana

  • Drafitra fampandrosoana ifotony tsy manavaka mpandray anjara ny rehetra, Kaominina Ambanivohitra Nikoly (2021 – 2026), tamin' ny taona 2023, notarihin' ny ben' ny tanàna Andriamaharizo Samuel.

Rohy ivelany